Revelation of John 10

1Avy eo aho dia nahita anjely mahery hafa nidina avy any an-danitra. Tao anaty rahona izy, ary nisy avana teo ambonin’ny lohany. Ny tarehiny dia miendrika masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo. 2Mitazona horonan-taratasy kely mivelatra amin’ny tanany izy, ary mametraka ny tongony havanana amin’ny ranomasina sy ny tongony havia amin’ny tany.

3Avy eo izy dia nihiaka tamin’ny feo mafy tahaka ny fieron’ny liona. Rehefa nihiaka izy, dia nikotroka mafy tamin’ny feony ny kotroka fito. 4Rehefa nikotroka ny kotroka fito, dia teo andalam-panoratana aho, fa nandre feo avy any an-danitra aho niteny hoe: “Tazomy ho tsiambaratelo izay nolazain’ny kotroka fito. Aza soratana izany.”

5Avy eo ilay anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo amin’ny tany, nanandratra ny tanany havanana tany an-danitra. 6Izy nianiana tamin’ilay iray izay velona mandrakizay doria, izay namorona ny lanitra sy izay rehetra ao anatin’izany, ny tany sy izay rehetra ao anatin’izany, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatin’izany, ary ilay anjely niteny hoe: “Tsy hisy fiandrasana intsony. 7Fa amin’ny andro iray rehefa hampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, tahaka ny nanambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony. “

8Ilay feo izay reko avy any an-danitra niteny tamiko indray hoe: “Mandehana, alaivo ilay horonan-taratasy mivelatra izay eny an-tanan’ilay anjely mitsangana eo ambony ranomasina sy ambonin’ny tany.” 9Avy eo dia lasa nankany amin’ilay anjely aho ary niteny taminy mba hanome ahy ilay horonan-taratasy kely. Hoy izy tamiko: “Raiso ny horonan-taratasy ary hano izany. Hampangidy ny ao an-kibonao izany, fa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely izany.”

10Nalaiko tamin’ ny tanan’ilay anjely ilay horonan-taratasy kely ary nohaniko izany. Mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany, fa taorinan’ny nihinanako azy, dia lasa nangidy ny tao an-kiboko. Avy eo nisy olona iray niteny tamiko hoe: “Tsy maintsy maminany indray ianao momban’ireo olona maro, ireo firenena, ireo fiteny, ary ireo mpanjaka.”

11

Copyright information for PltULB